Malagasy 43% ihany no mbola misitraka ny rano fisotro madio kanefa raha ny fanadihadiana dia mana-karena rano ambanin’ny tany i Madagasikara. Ny fahaizana mitrandraka azy no tsy misy. Ankehitriny anefa, vokatry ny fivoaran’ny teknolojia, azo atao tsara ny mitrandraka rano amin’ny alalan’ny fitaovana ari-fomba. Anisany manana tolotra ho amin’izany ny orinasa APC Ressource. Ny taona 2014 izy no niorina teto amintsika ity farany ary mifandray tendro amin’ny orinasa lehibe miasa amin’ny resaka fandavahana , APC Drilling any Inde.
Efa nanao fanandramana tamin’ny faritra maro toy an’Analamanga, Analajirofo, Alaotra Mangoro, Betsiboka, Boeny… ny ekipan’ny APC Ressources. “Laharam-pamehana ny fampitomboana ny rano ho an’ny tsirairay”. Tanjona voalohany tratrarin’ny orinasa izany.
Mahazo tombony kokoa ny fampiasana ny “forage d’eau” na fitrandrahana rano satria tsy mila lavaka ngeza savaivo kanefa afaka mandavaka hatrany amin’ny 500 metatra.
Tsy ny fitrandrahana rano ihany no iandraiketan’ny orinasa fa manana fitaovana ampiasaina amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ihany koa.
Interview : Rina RAVONIANDRO ( tomponandraikitry ny seraseran’ny APC )
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
VIDEO :