ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY SAKAFO: Ny Voamaina sy ireo tombontsoany.

0
308
Spread the love

Hiompana amin’ny voamaina sy ny tombontsoa azo avy aminy ny andro maneran-tany ho an’ny sakafo amin’ity taona 2016 ity. Ho an’ny Malagasy, ny vary no foto-tsakafony. Matetika ny hena no laoka  miaraka amin’izay.  Indraindray ihany vao mba mandalo ny vilany ireo karazana voamaina. Mavesatra, tsy levon’ny vavony, ireo no hevitra tohanan’ny olona mahakasika ity farany. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny famokarana azy (FAO) anefa fa manan-karena otrikaina be indrindra ilain’ny vatana  ny voamaina. “Azo atao tsara ny miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo  amin’ny alalan’ny voamaina”, hoy i Louis MUHIGIRWA, FAO.

Nohamafisin’ny Ministry ny harena anaty rano sy ny jono, François GILBERT, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, fa azo ampiarahana amin’ny  hazandrano na an-dranomamy na an-dranomasina izany. Amin’izay fotoana izay voalanjalanja ny sakafo hohanina sy ny otrikaina.

“Ady amin’ny hanohanana no atao saingy mila miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa”. Ny alatsinainy faha-17 oktobra ny eto Madagasikara no hanamarika ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny sakafo. Any Anjozorobe, faritra Analamanga no hanatanterahana izany.

Interview : François GILBERT

Fanambarana : Louis MUHIGIRWA

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici