ALA HONKO AO BOMBETOKA : Misy bibikely mandrava ny raviny

0
436
Spread the love

Mainan’ny bibikely ny ravin’ny honko. Misy bibikely mainty mandrava ny  ala honko ao Bombetoka, Faritra Boeny araka ny nampitain’ireo Vondron’olona Ifotony (VOI) misahana ity faritra Arovana ity raha ny vaovao navoakan’ny « Ministère de l’Environnement et du Développement Durable » ao amin’ny facebook-ny.

Nijery ny zava-misy teny an-toerana ny DIREDD Boeny Betsiboka niaraka tamin’ny manam-pahaizana momba ny bibikely avy ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga sy ny ONG DELC ary ny ONG FEM.

Nosy kely 04 no notsidihana ary hita fa ny karazana honko « Avicennia Marina » ihany no lasibatry ireto bibikely ireto. Hekitara maro izay tombanana ho ny 30 isan-jaton’ny « Avicennia Marina » maniry amin’ireo nosy ireo no maina tanteraka ny raviny. Tsy maty tanteraka anefa fa tsy misy ravina intsony.  Efa nangalana santionany ireo bibikely ireo mba ahafantarana ny sokajy misy azy ary ny fomba iadiana aminy. Andrasana ny 22 aprily ny vokatr’izany fitiliana izany. Ny tao-trano tsy hefan’ny irery ka mankasitraka ny fifanomezan-tànana teo amin’ireo mpisehatra ifotony nahazoana namantatra sy nandray an-tànana ity olana ity ara-potoana ny MEDD, ary midera ny fandraisan’andraikitr’ireo mpisehatra isan-tsokajiny ahafahana miaro sy mikajy ny ala honko amin’ny faritra Boeny.

Nangon’ny CNM

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici