Voasokajy ao anatin’ny lisitry ny harem-pirenena iraisam-pirenena tandindon-doza ireo valan-java-boahary ny ala Atsinanana. Anisan’izany ny faritra arovana Marojejy sy Masoala. Vokatry ny fanapahana ireo hazo sarobidy sy ny fihazana ireo biby « lemuriens » ary ny fanaovana tevy ala no antony nahatonga izany. Ho fanesorana ity harempirenena manan-danja ity dia nandray fepetra ny UNESCO niaraka tamin’ny Ministeran’ny tontolo iainana ary ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ny tetikasa ho fanarenana haingana ny ala Antsinanana no nahafahana nanao izany. Ny taona 2014 no nanomboka ny asa ka ny governemanta norveziana no namatsy vola. Tsy tratra ny tanjona satria ny fepetra takiana vao tafiala ao anatin’ny lisitra tandidomin-doza ny ala Atsinanana. “Na dia eo aza izany, nihena ny fitrandrahana antsokosoko ny ala ary voaentana avokoa ireo mponina mipetraka amin’iny faritra hiaro ny ala”, hoy Rintsamahefa RABEMANANTSOA, Tompondraikitry ny tetikasa.
Ny zoma lasa teo no nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa. Tsy hijanona hatreo anefa ny famerenana ny hasin’ny ala Atsinanana.
Interview: Rintsamahefa RABEMANANTSOA, UNESCO
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
Sese Andriana liked this on Facebook.
Lalaina Andrianavalona liked this on Facebook.
Misaotra tompoko @fizaram-baovao fa moa fantatra ve hoe inona ny fepetra noraisina?
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Jen Razaka Lanto Nirina liked this on Facebook.
Voninirina Rakotoson liked this on Facebook.
Fah Andriamanarivo liked this on Facebook.
RT @canalnews2: ALA ATSINANANA : Tandindon-doza vokatry ny fitrandrahana antsokosoko…. https://t.co/leDUyK7qy2
Frideliot Frederic liked this on Facebook.
Tchoutchou Rakotondrabe liked this on Facebook.
ALA ATSINANANA : Tandindon-doza vokatry ny fitrandrahana antsokosoko. https://t.co/bVzCixXys1