Miteraka adi-hevitra eny anivon’ny fiarahamonina foana ny resaka fananan-tany fa indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Betsaka rahateo ny orinasa mampiasa vola eto amintsika amin’ny alalan’ny fampiasana velaran-tany midadasika eo amin’ny sehatry ny fambolena. Anisan’ny miteraka adi-tany izany satria maro amin’ireny tany ireny no an-taonany maro ireo tantsaha no nanajary azy. Manana ny rariny ihany koa ireo orinasa raha ampitahaina amin’ny lalana. Mahamaika amin’izao fotoana izao anefa ny fampiroboroboana ny fanjarian-tsakafo. Manoloana izany, nanatanteraka fanadihadiana ny teo anivon’ny “Observatoire du Foncier”,ny FAO ary ny CIRAD mba itadiavana vahaolana maharitra.
Niompana tamin’ny fampitahana ny fampiasam-bola amin’ny velaran-tany midadasika sy ny fambolena ifanarahan’ny orinasa sy ny tantsaha na ”Agriculture contractuelle”. Nivoitra tamin’izany fa mahazo tombony kokoa raha ny tantsaha ihany no mamboly eo amin’ny taniny fa ny orinasa te iara-hiasa aminy kosa no manampy azy arakaraka ny fifanarahana toy fanampiana ara-bola, fanomezana traikefa sy teknika azy amin’ny famokarana… mandry ivohan’ny vato ny tantsaha amin’izay fotoana izay satria io orinasa io ihany no handray mivantana ireo vokatra.
Araka ny fanazavana, fitaovana ahafahan’ny mpiantsehatra rehetra ampiroboroboana ny fambolena eny amin’ny tontolo ambanivohitra ity voka-pikarohana ity.
Marihina fa notanterahina omaly teny amin’ny DLC Anosy ny fampahafantarana ity farany.
Interview: Sitraka RANDRIANJATOVONARIVO
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
AGROBUSINESS: Tantsaha mampiasa ny tany najariany, ho foana ny adi-tany. https://t.co/58bkM32Qcy
Abdoulah Mall liked this on Facebook.
Bakotiana Anjarasoa liked this on Facebook.
Ambroise Celin DonnaDieu liked this on Facebook.
José Josée liked this on Facebook.
Michou Ithiel Andrianjafisoa liked this on Facebook.
Derauphin Bemanantena liked this on Facebook.
Faly Mbintsu liked this on Facebook.
Zénaïde Rahantamalala liked this on Facebook.
Mamihery Ravelojaona liked this on Facebook.