Ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro : Mampiasa « charbon de terre » ny Gastronomie Pizza

0
586
Spread the love

Miezaka amin’ny fanenana ny fampiasana kitay ny orinasa mampiasa izany. Akora ilain’ny Gastronomie Pizza ny kitay. Niezaka ny vondrona IGP (International Gastronomy Pizza ) nanamboatra « charbon de terre » mba ho ampiasaina amin’ny fanamboarana pizza. 30 isan-jato sisa ny kitay ampiasan’izy ireo fa ny 70 isan-jato dia « charbon de terre » avokoa. Sady ho fiarovana amin’ny fanapahana ny ala hatao kitay no sady manena ny vola mivoaka ny fampiasana ity karazana saribao ity. Mora kokoa izy io raha ampitahana amin’ny vidin’ny kitay. « Eritreretinay ho varotana amin’ny point de vente io saribao amboarina io. Tsy mandoto ny charbon de terre nefa maharitra ny herin’ny afo avoakany », hoy ny mpanorina ny IGP, Chef Mbinina Arson Randrianaivo.

Toy ny fanaon’ity vondrona ity isan-taona dia mitohy ny famboly hazo teny Imeritsiatosika ny 22 febroary 2020. Sivy taona no efa namboly hazo teo amin’ity toerana ity izy ireo. Tsy nijanona amin’ny fambolen-kazo fotsiny anefa fa nikojakoja ireo efa novolena tany aloha. Kinin’oliva miisa 1500 ireo  novolena ary 500 ny nasosoka tamin’ireo efa nambolena ka ilaina soloina. Tsy eto Antananarivo ihany no mamboly hazo ny vondrona IGP fa manerana an’i Madagasikara tamin’io andro io, hoy i Chef Mbinina.

Nirina R.

Horonan-tsary

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici